4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Miam miam - Tonton Pa

Ô laniny e! Laninin’ny be volombava ny toaka(2)

Ô mihinana e! Mihinana mangingina ry matesa(2)

Ô tapitra e! Tapitry ny vahiny ny safira(2)

Izaho e! Izaho tsy ambinina fa aleoko mihira(2)



   Ref.: Misy misy raha tsy milamina

         Jereo kely fa mora fantarina

         Misy misy raha tsy milamina ao a!

         Misy, misy raha tsy milamina  

         Jereo kely fa mora sitranina

         Misy, misy raha tsy milamina ao



Ô ravany e! Ravan’ny jiolahy ny tanàna(2)

Ô vitany e! Vitany koa hatramin’i Madama

Ô lasany e! Lasan’ny olom-bitsy  ny harena

De vizana e! Vizana hono ny firenena



   Ref.:...



Miam! Miam! Lany daholo ô Miam ô! ô!

Manaiky matoa tsy miteny laolo ô! Miam ô! ô!(bis)



An’iza ny tsiny, nandroaka vahiny,nantsoina niverina izy ankehitiriny e?

Iza fa ireo mpandiso tantara. Aleo ho tsarain’ny dimby sy fara e!



Ô tototra e! Tototry ny tanimena ny tanàna(2)

Ô lafo e! Lafo ambongadiany amin’ny karana(2)

Misondrotra e! Misondrotra ny vidin’ny solika(2)

Ô latsaka e! Latsaka pataloha izay poritra(2)



   Ref.:...



Miam! Miam! Lany daholo ô Miam ô! ô!

Manaiky matoa tsy miteny laolo ô! Miam ô! ô!(bis)



Ô loza (ho’aho)e! Anjakan’ny sasany ny vazo(2)

Ho avy e! Ho avy tsy ho ela ny valiny tatazo(2)

Mizaka e! Mizaka tena indray izao ny tanàna(2)

Ho botra e! Ho botrabotra amin’izay angamba i Madama(2)



    Ref.:...



Miam! Miam! Lany daholo ô Miam ô! ô!

Manaiky matoa tsy miteny laolo ô! Miam ô! ô!(bis)



ô tsy... e! Tsy mazava ny lalan’ny Miliara(2)

ô mody e! Mody gisa ny ao Tsimbazaza(2)

ô mi... e! Mitsingevana ny tetezan’i Ivoloina(2)

Miova e! Miova resaka nampifandoana(2)



   TONTON Pà & TURBO






Partager miam miam

Commenter miam miam

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tonton Pa